Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 101 339 amin’ny teny malagasy

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

I Iràna na Repoblika Islamikan' i Iràna dia firenena ao Azia Andrefana. Ny renivohiny dia i Teheran. Atao hoe ایران‎ [ʔiˈɾɒn] na جمهوری اسلامی ایران‎ / Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān izy amin' ny fiteny persana. Ny anarana nohagasina hoe Iràna dia avy amin' ny fiteny persana izay midika hoe "Tanin' ny Arianina", ary efa nampiasain' ny Persiana hatry ny Andro Taloha, tamin' ny andron' ny Sasanida. Persia no fiantsoan' ny Tandrefana an' i Iràna nanomboka tamin' ny Andro Taloha hatramin' ny taona 1935. I Reza Shah no nanova izany ho Irān tamin' io taona io tamin' ny alalan' ny fangatahana amin' ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an' ilay firenena hoe "Irān".
Sarin-tanin' i Iràna

Firenena faha-18 be velarana indrindra (1 648 000 km2) i Iràna; 78 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy. I Armenia sy i Azerbaijàna ary i Torkmenistàna no firenena manodidina azy ao avaratra; ny Hoala Persika no ao atsimo; i Iràka sy i Torkia no firenena manodidina azy ao andrefana; i Pakistàna sy i Afganistàna no ao atsinanany. Ny vola ampiasaina ao Iràna dia ny Rial. Ny kalandrie persana no kalandrie ôfisialy ary ny fiteny persana no fiteny ôfisialy.

Ahitana lembalemba avo, izay manana salan-kaambo 1 300 m, ny ampahany be amin' ny tanin' i Iràna. Ahitana tany efitra roa lehibe ny any, dia i Dasht-e Kavir ao avaratra sy i Dasht-e Lut ao atsimo-atsinanana. Hodidinin’ ny tangoron-tendrombohitra maro koa i Iràna: ao avaratra manamorona ny Ranomasina Kaspiana no misy an' ny tangoron-tendrombohitra Alborz; ao atsimo-andrefana i Zagros. Ny toerana iva indrindra any Iràna dia ny Ranomasina Kaspiana izay 28 m ambanin' ny haambon' ny ranomasina. Toetanin-tanibe maina ny toetanin' i Iràna, izay ahitana fiovaovana lehibe eo amin' ny mari-pana.

Haingam-pitombo sady betsaka tanora (ny 44 % dia latsaky ny 15 taona) ary monina an-tanan-dehibe (ny 65 %, na mihoatra, dia monina an-tanàn-dehibe) ankamaroan' ny mponina ao Iràna. Ny Persiana sy vahoaka vitsy anisa maro (anisan' izany ny Azery, ny Balotsy, ny Torkmena, ny Kiorda ary ny Arabo) no madrafitra ny mponina any Iràna. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny 99 % amin' ny mponina any Iràna.

I Iràna no mpanondrana solitany fahefatra maneran-tany. Na dia ny 10 % amin' ny tany ihany aza no voavoly dia manan-danja eo amin' ny toekaren' i Iràna ny fambolena. I Iràna, ohatra, no mpamokatra antrendry voalohany indrindra maneran-tany. Izy koa no miantoka ny 20 %n' ny famokarana kaviara maneran-tany. (tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Ankizy mahafaly

Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.

Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.

Miteny mahafaly, izay fitenim-paritra mifanakaiky amin' ny fiteny antandroy, izay fiteny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana ny Mahafaly.

Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].

(tohiny...)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Hetsi-panoheran'ny 2025 eto Madagasikara[ovaina]
  • Fangatahan'ny fifaranan'ny fitapahana matetiky ny rano sy herinaratra


 Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.
  2. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
  3. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.
  4. Zimmermann, Maurice (1911). "Le pays Mahafaly dans le sud Malgache". Annales de Géographie. 20 (110).