Hankany amin'ny vontoatiny

Linaceae

Avy amin'i Wikipedia
Linum lewisii

Ny Linaceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Malpighiales. Ahitana karazana zato eo ho eo mitsinjara amin' ny vondron-karazana 8 ka hatramin' ny 15 izy io. Zavamaniry ahitra sy hazobotry izy ireo ary hazo koa indraindray. Fianakaviana hita amin' ny faritra rehetra eto an-tany izy io, manomboka amin' ny faritra mangatsiaka ka hatrany amin' ny faritra mafana. Ao amin' ity fianakaviana ity no ahitana ny rongonimbazaha famboly (vondron-karazana Linum), izay ambolena hahazoana tsiraka avy amin' ny tahony, hampiasaina amin' ny fanamboaran-damba na hahazoana voa izay hakana menaka sy ny faikany izay ampiasaina amin' ny sakafom-biby.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]
Linum pubescens

Ny fianakaviana Linaceae dia mitsinjara ho zana-pianakaviana roa, dia ny Linoideae ny sy ny Hugonioideae.

Linoideae

[hanova | hanova ny fango]

Ny vondron-karazana lehibe indrindra ao amin' ny Linoideae dia ny Linum, ny rongony famboly izay misy karazany 180–200 ao anatin' izany ny rongonilbazaha, Linum usitatissimum. Ny mpikambana ao amin' ny Linoideae dia ahitana zavamaniry isan-taona sy mihoatra ny roa taona, ary koa kirihitra sy hazobotry (Tirpitzia) maniry any amin' ny faritra manana toetay antonony sy mafana any Eorazia, aty Afrika, any Aostralia ary any Amerika.

  • Anisadenia Wall. ex Meisn. (karazana 2)
  • Hesperolinon (Gray) Small (karazana 13)
  • Linum L. (karazana manodidina ny 200)
  • Radiola Hill (karazana 1)
  • Reinwardtia Dumort. (karazana 1)
  • Sclerolinon C.M.Rogers (karazana 1)
  • Tirpitzia Hallier f. (karazana 3)

Taloha dia anisan' io ny Cliococca (syn Linum L.)

Hugonioideae

[hanova | hanova ny fango]
Hugonia mystax

Ny zana-pianakaviana Hugonioideae dia matetika ekena ho fianakaviana miavaka, ny Hugoniaceae. Ny vondron-karazana lehibe indrindra ao amin' ny Hugonioideae dia ny Hugonia (misy karazana 40 eo ho eo); ny Hugonioideae dia vahy sy hazobotry ary hazo, ary saika any amin' ny faritra trôpikaly manontolo no ahitana azy ireo.

  • Hebepetalum Benth. (3 sp.)
  • Hugonia l. (6 sp.)
  • Indorouchera Hallier f. (1 sp.)
  • Roucheria Planch. (7 sp.)

Tafiditra tao taloha ny Durandea (syn Hugonia L.) sy ny Philbornea (syn Hugonia L.)